Tovolahy voatifitra tao Tanambao Verrerie :”Tsy jiolahy ny havanay…”, hoy ny fianakaviana

Nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny fianakavian’i Fanomezantsoa, 22 taona, ilay voalaza fa jiolahy maty voatifitry ny zandary ny alatsinainy alina tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa tsy jiolahy i Fanomezantsoa satria vao tonga avy any Manakara izy, hiasa hanao fitaterana amin’ny posy ao Toamasina. “Nanao fety fandraisana namana vao tonga izahay miray tragnona Gina sady nisotrosotro”, hoy ny fanazavan’ny fianakaviany. Nambaran’izy ireo fa alina ny andro ka notenen’ireo olobe tao amin’ny fianakaviana izy ireo mba hatory amin’izay nitohy ihany ny fisotroana ka teo no nahatonga ny fifamaliana teo amin’ny samy mpiara-misotro. Nitsoaka nitsambikina ny vavahady i Fanomezantsoa ka lasa any ivelan’ny trano. Hitan’ireo mpiandry tanàna amin’ny alina anefa izany ka nosamborin’izy ireo ka natolotra ny zandary, hoy ny namany iray naratra vokatry ny fifandroritana teo amin’izy samy mpinamana. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa raha vao tsy tafaverina i Fanomezantsoa dia nanaraka tany amin’ny biraon’ny zandary izy ireo saingy tsy nisy nilaza ny marina. Akory anefa ny hatairan’ireo fianakaviany fa hoe any amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina no hita ny fatiny izay efa rotiky ny bala. Izay ny zava-nisy marina momba ity havanay maty voatifitry ny zandary ity ary tsy misy zavatra hafa ankoatra izany, araka ny fanazavan’ny fianakaviany hatrany.

Sajo/J.C

Partager sur: