Fahasalamana:  hapetraka eny amin’ny CSB ny fitiliana  ny nendran-drajako

Hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Mailo i Madagasikara ka hametraka fitiliana ho an’ireo tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hapetraka eny amin’ny CSBII ihany koa ny fitiliana.

Nilaza ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana,  Fidiniaina Andriantsarafara , omaly fa efa eo am-panomanana ny fametrahana ireo fitiliana ny tsimokaretona nendran-drajako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly ny fanjakana amin’izao fotoana. Hisy ihany koa ny fitiliana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny hopitaly. Efa mahafantatra ny famaritana ny olona ahina ho mety hitondra izany tsimokaretina izany ireo mpanao fitiliana eny.

Tanjona ny hahafahana mitily ireo olona mitondra izany ka hahafahana mifehy ny mety ho fiparitahany. Nanamafy ity tale ity fa tsy mbola  misy eto Madagasikara ny valanaretina nendran-drajako, hatreto.

Araka ny fantatra, efa ahitana ity aretina ity ny Nosy manodidina antsika. Firenena 89 ihany koa  no efa iparitahan’ny aretina. Maherin’ny 28.000 ny olona efa marary amin’izao fotoana.

Efa nambaran’ny sampan-draharaha’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana ny 23 jolay 2022 teo fa hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Haingam-pifindra ary mampatahotra ny fitrangany izay miseho amin’ny alalan’ny fibontsimbontsina eny amin’ny hoditra.

Aretina efa nisy tamin’ny firenena afrikanina miseho amin’ny gidro ity nendra ity tamin’ny taona 1958. Mifindra amin’ny olombelona izany. Efa miparitaka be izy io amin’izao fotoana, hoy hatrany ny tale. Efa mampivarahontsana ny firenena maro indray ity nendran-drajako ity amin’izao.  

Tatiana A

Partager sur: