FJKM Tranovato Ambatonakanga – Lehilahy Midera : homarihana ny faha-185 taonan’ny maritiora Malagasy

Ho feno 185 taona, ny alahady 14 aogositra izao ny namonoana an-dRasalama, maritiora kristiana voalohany teto Madagasikara. Hanamarika izany amin’ny fomba miavaka ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny maha Fiangonana malagasy voalohany azy. Fanamarihana hotanterahina ny 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny toriteny an-kira atolotry ny Lehilahy Midera, iarahany manatontosa amin’ny mpitandrina Yvette Rabemila, filoha mpanampy FJKM (1992-200). Ao anatin’izany no hamoahana ilay boky tantara fahatsiarovana milohateny hoe  « Vehivavy malagasy Maritiora », nalaina tamin’ny  asasoratr’i  H.A Ridgwell  « Madagascar’s girl martyr » (1932) izay nadikan’i Jacques Ramanamirija  (2012).

Raha tsiahivina, ny 14 aogositra, nentina maraina niainga teo Ambatonakanga ho eny Ambohipotsy izay toerana handefonana azy Rasalama. Ny lalana nizorany dia nampitondrain’ny Fanjakana malagasy  ny anarana hoe Lalantsara Rasalama, tamin’ny taona 1987 izay nanamarika  ny faha-150 taonan’ny maritiora malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: