Mitohy ny hazalambo : Olona efatra naman’Iarisy voasambotra

Mihamafy ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ilay vono olona niseho tao Anosikely Ambolotarakely distrika’Ankazobe. Afakomaly, olona miisa efatra hafa, mpiray dia amin’Iarisy indray no saron’ny zandary tao Anjozorobe. Nisy ny loharanom-baovao voarain’ny zandary fa niafina tsy lavitra ny tanànan’Amboara fokontany Andranovelona sy tao atsinanan’ireo trano ao Besalaka fokontany Ambohijavona ary ny fokontany Amparihimaromaso i Lebresa sy Pascal rahalahiny ary Lema. Raikitra avy hatrany ny fisamborana. Sarona tamin’izay ny vehivavy iray sakaizan’i Lebresa isan’ireo nitsoaka tamin’Iarisy sy Lebresa taorian’iny tranga niseho tao Ambolotarakely iny. Nambarany tamin’ny famotorana fa nitsoaka tamin’iny andro nisehoan’iny vono olona mahatsiravina iny i Lebresa sy ireo namany.  Voasambotra ihany koa ny vehivavy vadin’i Lebresa sy ny anabaviny. Tratra nandritra izay koa i Dadavelona na koa zokin’i Gôna, 73 taona. Lehilahy dahalo ikoizana tamin’ny fahatanorany saingy lasa mpimasy sy mpampiantrano an’Iarisy sy Lebresa taty aoriana. Ankehitriny, mitotaly 20 ireo jiolahy voasambotry ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritr’Imerina centrale voasaringotra tamin’iny tranga mampalahelo tao Anosikely Ankazobe iny.

Henintsoa Hani

Partager sur: