Ny kardinaly, Tsarahazana Désiré : ” Aoka ho matotra fa tsy hihatsaravelatsihy »

Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, tamin’ny fankalazana ny andron’ny « Mouvement de cadre Chretien Proffessionnel – MCCP », sampana Toamasina, sady faha-20 taona niorenany, ny 7 aogositra teo. « Mila mibebaka isika ary mba matotra rehefa mivavaka.  Mameno fiangonana mantsy ny ankamaroany fa vitsy ireo  tena mivavaka. Lasa tompondakan’ny fiatsarambelatsihy isika », hoy izy. Nohitsiny fa mitonona ho krisitianna avokoa ireo rehetra manana ny toerany eo amin’ny fitantanan-draharaha miankina sy tsy miankina.  Ireo tompon’ andraikitra ambany ka hatrany ambony sy ny faratampony eto amin’ny firenena. « Miha milentika na milatsaka ary mihemotra anefa ny firenena. Anjakan’ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fitiavan-tena », hoy ihany izy.

Fihaonambe momba ny fandriampahalemana

Nanteriny fa ho avotra ny firenena raha tena mivavaka tokoa ka mampihatra izany ny kristianina rehetra, manomboka  eny anivon’ny toeram-piasana avy. Etsy andaniny, niangavy ireo manampahefana any Toamasina koa ny kardinaly Tsarahazana Desiré ny hanaovana fihaonambe manokana momba ny fandriampahalemana ny lohahevitra. Iantsoana ireo tompon’ andraikitra rehetra mifandraika amin’ izany sy ny fiarahamonim-pirenena, araka ny nambarany.

Sajo sy Synèse R. 

Partager sur: