Ravalitera Jacques Michaël: “Tanjon’ny Ceni ny hidiran’ny rehetra ao anaty lisi-pifidianana”

An-dalana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni amin’izao fatoana izao. Aiza ho aiza? Manazava ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël: “Tanjon’ny Ceni amin’izao ny hampidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena feno 18 taona.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy?   

Ravalitera Jacques Michaël (-): Mitety ny renivohi-paritany amin’ny fanaovana atrikasa hanomanana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni amin’izao, izay iarahana amin’ny mpanao politika, ireo rantsamangaikan’ny Ceni, ny olobe, ny firaisamonina sivily, ny olom-piangonana… Fanambin’ny Ceni ny mihaino ary hanatanteraka izay fanapahan-kevira iarahana, nefa tsy mivoaka ny lalàna. Izay no anantenana hatrany an’ireo izay tokony handray anjara amin’izay atrikasa izay.

* Ny ankoatran’izay atrikasa izay?

– Amin’ity volana ity koa ny fiantsoana ny olom-pirenena vonona hiditra ho mpiadidy ny fifidianana (AE), izay manatanteraka ny andraikitry ny Ceni eny anivon’ny fokontany. Misy ny fepetra amin’izany: olom-pirenena feno 18 taona, mponina sady mahafantatra tsara ny fokontany hanendrena azy, mahay mamaky teny sy manoratra, tsy mpikambana ao anatina antoko na fikambanana politika, to teny eo anivon’ny fiarahamonina.    

Toy izany koa ny fanendrena izay ho mpikamban’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), izay misy mpikambana folo: ny lehiben’ny fokontany na ny lefiny raha misy antony manokana tsy ahafahan’ny lehiben’ny fokontany, misy mpiadidy fifidianana iray, mpikambana hafa avy amin’ny fokontany izay mety ho avy amin’ny firaisamonina sivily na olom-piangonana na mpanabe…

Misy koa ny fandraisan’ny Ceni mpanisa mpifidy (AR) eny anivon’ny distrika: olom-pirenena feno 18 taona, mahay mamaky teny sy manoratra, manana maripahaizana Bacc satria misy, ohatra, ny fampiasana “tablettes” amin’ny toerana izay tsy maintsy ilàna izany amin’ny fikirakirana fanisana mpifidy. Tsy mora ny asa fa mila fahamatorana, tsy tsapatsapaina fa raharaham-pirenena io. Afa-manatitra ny antontan-taratasy firotsahana eny anivon’ny distrika ahitana ny peta-drindrina misy ny andinindininy momba izany izay vonona amin’izany hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao.

* Aorian’izay, miasa avy hatrany ve izy ireo?

– Mbola misy fampiofanana an’ireo AE sy mpikamban’ny CLRE ary ny AR. Aorian’izay, manomboka ny fanisana mpifidy eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy amin’ny volana oktobra. Mandritra ny telo volana ny fanatanterahana izay, hatramin’ny volana desambra. Aorian’izay, efa misy ny fandaminana eo anivon’ny rafitra amin’ny fomba fanatanterahana asa. Satria miara-miasa avokoa ny AE sy ny mpikamban’ny CLRE ary ny AR.

* Ny tanjon’ny Ceni amin’izany rehetra izany?

– Tanjon’ny Ceni amin’izao ny hampidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena feno 18 taona. Nefa tsy milaza ny lalàna fa terena tsy maintsy hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena, fa zon’ny tsirairay ny misoratra anarana na tsia. Na izany aza, aza hadinoina fa raharaham-pirenena ny fifidianana ary adidy amin’ny maha olom-pirenena. Anentanana ny olom-pirenena izay, fa manatanteraka ny andraikitra nomena azy araka ny lalàna ny anjaran’ny Ceni.       

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: