Vahaolana ifotony

Avy any ambony ny ohatra fakan-tahaka? Any ifotony kosa ny olana mila vahana, indrindra amin’izao fahasahiranana diavina sy iainan’ny firenena izao: fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana… Lazaina mandrakariva fa tsy azo ihodivirana izao krizy eran-tany  izao noho ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Tsy fantatra be ihany izay mety ho tohiny sy farany. Na izany aza, tsy maintsy samy miatrika ny adiny ny isam-pirenena: fidangan’ny vidim-piainana, fikorontanan’ny seha-pihariana, fanahiana tsy fanjarian-tsakafo na mosary aza…

Ahoana kosa ny tsy fandriampahalemana tsy takona afenina fa mirongatra etsy sy eroa tato ho ato. Ny fahantrana sy ny fahasahiranana no mampitombo ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny tsy fandriampahalemana sa ny asan-jiolahy amin’ny tsy fanarahan-dalàna no manampy trotraka ny fahasahiranana sy ny fahantrana efa ho lava? Zava-tsy inona akory amin’izao, mety amoizina aina na aharavana fananana. Amin’izany, vitan’ny sasany fotsiny izao, ohatra, ny mandatsaka aina mpiara-monina na havana. Ady lova na ady tany no hoe anisan’ny antony fototra. 

Tsy vitan’izay, tsy olon-dratsy ihany izao no mampiseho habibiana, fa hatramin’izay mahita na iharan’izany: na ao anatin’ny fanahiana sy tebiteby lava aza, ohatra, manao fitsaram-bahoaka. Tsy matahotra inona na iza intsony ankoatra ny olon-dratsy? Ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-monina no very; eny, na eo amin’ny mpihavana aza. Vao mainka fa ny fifandraisana amin’ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, mampanahy be ihany. Samy maka ho azy noho ny fahasahiranana, samy mitady sy miady izay ho azy… Hanao ahoana?

Raha avela amin’izao izay misy sy iainan’ny vahoaka ifotony amin’izao: ahina hiotrika sy hitombo, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Sanatria, hipoaka na ho ela na ho haingana? Misy ny azo atao, ny azo sorohina… Vahaolana ifotony, tsy iandrasana efa ho zava-doza be, sanatria, vao hikoropahana amim-pikorontanana. Natao hitsinjo mialoha izay mety hitranga ny hoe mitondra?

Rafaly Nd.

Partager sur: