Fiaraha-monina

Fanabeazam-pirenena: fahombiazana ny 100 andro voalohany

Nanao tatitry ny 100 andro niasany ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Fanta­tra tamin’izany fa sekoly manara-penitra 23 no andalam-pahavitana ka hahafahana mandray mpianatra 2 208 vaovao indray. Novatsiana fitaovana toy ny dabilio, efitranon’ny mpampianatra, toeram-pisakafoana, laboratoara ho an’ny CEG sy ny Lycée ary fitaovana informatika misy tablette miisa 2 500 ireo sekoly […]

Fampianarana ambony: omen-danja ny asa fikarohana

Asa fikarohana fanoitra ho an’ny fampandrosoana no tarigetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Andriamaniraka Jaona Harilala, nandritra ny fandraisany ny andraikiny. Fomba ahafahana mampahafantatra ireo asa sy voka-pikarohana ny fanaovana ny fihaonambe ho an’ny fikarohana na ny “Forum de la recherche”. […]

Ho an’ny mpiasam-panjakana : mbola mandray «prise en charge» ny Institut médical de Madagascar

Sahiran-tsaina ireo tokony hanao fitiliana eny amin’ny IPMadagascar fa miato aloha ny fandraisana ny fiahiana ho an’ny fitiliana rehetra raha mpiasam-panjakana amperinasa na misotro ronono ilay olona. Mbola mandray ny “prise en charge” kosa ny IMM Niparitaka ny feo, tato ho ato, teny amin’ny tambajotra serasera, fa tsy mandray «prise […]

INDRAY MIJERY

Nahazo boky torolalana ho an’ny taranja kajy, kilasy T2, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Ihosy. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana io taranja io sy hofampitana izany amin’ny mpianatra. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanamorana fanatanterahana tetikasa (UFP) no niandraikitra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAEB nanaovana izany. Hotanterahina ny zoma […]

Fandalovan’ny rivodoza : 339 miliara Ar ny hanarenana ny fotodrafitrasa

Mahatratra 339 miliara Ar ny vola ilaina ho fanarenana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny rotsakorana be farany teo. Tombana nataon’ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka rehetra no nahazoana ny so­ra-bola amin’ny asa samihafa tsy maintsy hatao, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, teny Andrainarivo, […]