kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hiompana amin’ny asan’ny mpanoratra ny velakevitra ao amin’ny « Tokotany be », anio. « Ny mpanoratra sy ny asa sorany: fanainga enti-mampandroso ny fiarahamonina », ny lohahevitra hisarihan’i Riambola Mitia ireo hanatrika izany, amin’ny 10 ora maraina. Hanaraka aorian’izay ny atrikasa hataon’ny « Opération Bokiko », sy ny « Ndao hamaky boky ». « Ny fiainan’ny Malagasy ». Io ny […]

Tantara an-tsehatra: hifanesy ny fitetezam-paritry ny Iray Fy’Art

Hitodi-doha any Andraiki­ba Antsirabe indray ny tarika Iray Fy’Art, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Ekar St Joseph Andohalo. Hitondra an-tsehatra ilay tantara nosoratan’i Niravo Randria: “Ny herin’ny vola”. Hamelona izany ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, ahitana an’i Faly, Rakoto, Synèse, miaraka amin’i Niravo sy Antsaravaka. Handrindra an-tsehatra […]

Hetsika « Tokotany be »: seha-pihariana hampiakatra ny toekarena ny kolontsaina

Sambany no nisy. Tafaraka amina toerana iray, anaty hetsika iray, rehefa mahakasika ny indostrian’ny kolontsaina sy ny asa famoronana. Tosika ho an’izay fihariana mifototra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina izay ny “Tokotany be”. “Ny toy izao no hahalalan’izao tontolo izao ny kolontsaina malagasy”, hoy i Fredy Kely, Mpi­ka­bary kalaza, fa […]

Fandrosoana: Ilaina ny tandrohasina

Ekena, sarotra ny mamaritra ny hoe « mandroso », rehefa hohasarotina. Mora kosa anefa rehefa hotsorina. Na izany aza, ny mahantra nanjary nanana, fandrosoana. Ny mpianatra nisondrotra kilasy, fandrosoana, sns. Ny dihy soroka nanjary dihim-pitombenana, fandrosoana ve? Raha ny faritra misy ireo eo amin’ny vatan’ny olombelona (soroka mankeo amin’ny fitombenana) […]

Namoaka ny boky #Zakoa: mitafa mivantana amin’ireo liana i Hary Rabary

Hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana « Prix Orange du livre en Afri­que 2024 » izy. Ilay boky #Zakoa, navoakan’ny Editions Dodo vole, no hoentin’i Hary Rabary mandresy lahatra ny mpitsara mandritra izany. Mi­aloha izay anefa, tazana tao amin’ny tranohevan’ny Oran­ge Solidarité Madagas­car, mandritra ilay hetsika “Toko­tany be”, etsy amin’ny Lapan’ ny […]