Taratra

Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity. Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra ho­tontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary […]

Praiminisitra : “Paikady vaovao no iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”

Nidina teny ifotony ny fitondram-panjakana ary nitondra vahaolana. Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana. “Tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny paikady vaovao entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy ny distrikan’Ankazobe ary ny ma­nodidina”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, […]

INDRAY MIJERY

Tao Ambovombe no nanatanterahina ny fihaonambem-paritra ho an’ny fahasalamana, ny faran’ ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza amin’ny fijerena manokana ny fahasalaman’izy ireo sy ny zatovo, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahasalamana ara-pananahana. 10 taona mahery no nijoroan’ny fikambanana Autisme Madagascar. […]

Karama farany ambany : arahi-maso ny fampiharana ny didy

Raikitra ny hetsika “Opé­ration coup de point”, tanterahin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFP). Hotanterahina amin’ny alalan’ ny fidinana ifotony ataon’ny eo anivon’ny minisitera any amin’ ny faritra 23 izany ka hanomboka ny faran’ny avrily hatramin’ny mey izao. Tafiditra amin’ny fampiharana ny didy momba ny karama farany […]

Fampianarana Ambony : minisitra vonjimaika Ravokatra Fidiniavo

Ny minisitry ny Rano, fidiovana sy fahadiovana, Ravokatra Fidiniavo, no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafi­harison Andriamanantena, rehefa nisafidy hanohy ny lalana politika ity farany. Natao omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta. Nilaza ny minisitra mpisolo toerana fa manana ny lanjany sy […]