Taratra

Fitoriana eny amin’ny HCC: manohana an-dRazanamahasoa Christine ny MMM

Naneho ny heviny, manoloana ny fitorian’ny IRD ny filohan’ny Antenimierampire­ne­na, Razanamahasoa Christine eny amin’ny HCC ny MMM. Nohitsin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa manjaka ny tsy tan-dalàna ka niantsoany ireo Andrim-panjakana isan-tokony hijoro ho arofanina. “Aoka hanaja sy hanaraka ny lalàna mba tsy ho tsarain’ny tantara”, hoy izy tetsy Ankerana, omaly. Nan­ka­hery ny […]

Ratolojanahary Maharavo: “Aoka tsy hatao takalon’aina ny vahoaka”

Nambaran’ny tale kabinetran’ny filohan’ny Antenimiera, Ratolojanahary Maharavo (Dou­dou) fa misy fetrany ny zava-drehetra. “Aoka tsy hoterena tsy hanara-dalàna indray ny HCC. Aza atao takalon’aina ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy. Valin-kafatra nentiny manoloana ny nitorian’ny IRD sy hanonganana an-dRazanamahasoa Christine tsy filohan’ny Antenimieram-pirenena izany. Nohitsiny fa zary tsy misy lanjany intsony […]

Fanaterana dosie ho an’ireo kandidà : hiasa tsy an-kiato ny Ovec sy ny Ivon-ketra

Nisokatra, omaly ny fandraisan’ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina (Ovec), ho an’ireo kandidà solombavambahoaka. Mbola nangingina ny andro voalohany. Hiasa tsy an-kiato isan’andro mandra-pahatongan’ny ora farany na amin’ny andro tsy iasana aza ireo eo anivon’ny Ovec sy ny Ivon-ketra mandray ny dosie an’ireo kandidà. Mbola miandry toromarika kosa ireo […]

Fitsinjaram-pahefana: Tafapetraka avokoa ny governora mpisolo toerana

Feno tanteraka ny toeran’ny governora manerana ny Nosy. Voatendry, omaly, nandritra ny filankevitry ny minisitra ireo rehetra mpisolo ny toerana banga. Niarahan’ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika nanaiky ny fandaniana ny didim-panjakana manendry azy ireo. Ramatoa Beva­zaha Marie Annick ho an’Analanjirofo , Sabire Jérôme, ho governora mpisolo toerana ao […]

Tiorkia: Hanampy ny tetikasa Tanamasoandro

Tonga eto amintsika ireo mpandraharaha Tiorka ary vonona ny handray an-tanana ireo tetikasa goavana. No­raisin’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­vavy, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaka ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana. Anisan’izany ny Tanama­soandro. Tohin’ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany Tiorkia volana vitsy lasa izao fahatongavan’ireto mpampiasa vola ireto. Niaraha-nidinika […]