Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Apipa : halalinina ny lakandrano

    Apipa : halalinina ny lakandrano

     Ho fanalefahana ny mety hisian’ny tondra-drano amin’ny faritra iva mandritra ny fotoam-pahavaratra, miditra amin’ny fanadiovana ny lakandrano ny Apipa.

    Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany sy ny C3 izay tanterahin’ny Apipa. Iarahana amin’ny  fanjakana foibe ny fanatanterahana ny asa raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rateloson Philippe.

    Halalinina ny lakandrano, kaohina amin’ny fitaovana arifomba ny fako sy ny fotaka manelingelina ny fikorianan’ny rano. Mirefy hatrany amin’ny 5km mahery ny lakandrano hanaovana izany fandalinana sy fanadiovana izany.

    Tanjona ny hampikoriana tsara ny rano, indrindra rehefa avy ny orana. Eo koa ny fanalefahana ny tondra-drano, indrindra eny amin’ny faritra iva.

    Haharitra 20 andro ny asa fanadiovana raha ny fanazavana hatrany. Hararaotina ny toetr’andro maina hanaovana izany. Mitondra ny rano mivarina eny amin’ny “station de pompage”  eny Ambodimita ny lakandrano asiam-panadiovana. Nilaza ny tompon’andraikitra fa mbola mandeha tsara ary manaraka ny fikarakarana rehetra ny milina telo eny an-toerana.

    Marihina fa nesorina ihany koa ny trano hazo nanamorona ny lakandrano izay tandindomin-doza hatrany rehefa miakatra ny rano.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.