Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

    Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

     Tompon’omby iray maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo miisa 60 nitondra basy Kalachnikov sy basim-borona tany Amboasary, fokontany Lanivato Ikalamavony, kaominina ambanivohitr’i Mangidy ny alatsinainy teo. Araka ny fanazavana voaray, nirodorodo niditra an-keriny tao amin’ity tanàna ity ireo dahalo ka nitifitra avy hatrany ny lehilahy iray tompon’ireo omby nangalarin’izy ireo. Voalaza fa nanao fanamiana miaramila ny roa tamin’ireo dahalo. Lasa nitsoaka kosa ireo dahalo. Ny poste avancé Mangidy no manao ny fanadihadiana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.