Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Amparafaravola sy Tsiroanomanddiy : olona roa indray no matin’ny pesta

    Amparafaravola sy Tsiroanomanddiy : olona roa indray no matin’ny pesta

     Tao anatin’ny roa herinandro farany, olona roa no matin’ny aretina pesta miseho amin’ny atoditarimo. Nahitana tranga roa tao amin’ny distrikan’Amparafaravola ka iray tamin’ireo namoy ny ainy. Efa razana tsy misy aina intsony no nentin’ny fianakaviana teny amin’ny tobim-pahasalamana, araka ny fanazavana azo. Nisy tranga koa tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ary maty ivelan’ny hopitaly ihany koa ilay olona. Distrika fahatelo nisehoana pesta iray tany Ankazobe, mbola pesta mitranga amin’ny atoditarimo ihany koa ity farany ity. Toy ny fanao mahazatra, nomena fanafody chimioprophylaxie avokoa ny fianakaviana akaikin’ny marary rehetra ao an-tanàna. Nalefa eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar ny fitiliana hanamarinana tokoa ny aretina.

    Mbola mitohy ny fikarohana ny tranga hafa ao anatin’ny fokontany sy ny kaominina nitrangan’ny aretina. Rarahana fanafody koa ny efitrano misy ny marary. Rehefa miseho ny aretina pesta, entanina ny mponina hanadio ny tanàna hisorohana ny fiavian’ny voalavo mamindra ny parasy.

    Vonjy  

    Les commentaires sont fermées.