Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2015 : miisa 15 ireo zandary matin’ny dahalo  

    Taona 2015 : miisa 15 ireo zandary matin’ny dahalo  

     Henjana ho an’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena iny taona 2015 lasa teo iny. Miisa 15 ireo zandary lavo am-perinasa nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Teo koa ireo zandary nanaratsy endrika ny zandarimariam-pirenena amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Paza Didier Gérard raha nanao jery todika fohy momba ny taona 2015 nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny amin’ny birao fiasany eny Betongolo, ny alatsinainy teo.

    Isan’ny nisongadina tamin’ireny ny nahafaty ny kaomandin’ny kaompania zandarimaria ao Betroka, ny kapiteny Andriantiana Falihery, ny volana septambra tany amin’iny faritry Betroka iny ihany nandritra ny fifampitifirana tamin’ny dahalo.

    Nifampirary soa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2016, araka izany, ny teo anivon’ny Seg sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin notronin’ireo mpiara-miasa aminy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.