Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nosy Be Hell Ville : may ny hotely Nosy Lodge

     Kila hotohoton’ny afo ny hotely Nosy Lodge an’ny teratany Belge ao Ambondrona, kaominina Djamanjar Nosy Be Hell Ville, ny zoma hariva teo. Araka ny fanazavana voaray, fipoahana herinaratra no nahatonga ny firehetana. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny firehetana. Samy niolomay namono ny afo ny olona teo an-toerana nampian’ny mpamonjy voina, saingy tsy voafehy intsony ny afo satria nalaky ny fiitarana. Ny 25 isan-jaton’ny entana no indray kilan’ny afo raha 50 isan-jato kosa ny trano. Efitra efatra, birao iray ary lakozia iray no tena levon’ny afo tanteraka. Tombanana ho 560 tapitrisa Ar ny zavatra simba araka ny fanazavana voaray avy an-toerana hatrany. Tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy tamin’ity fahamaizana ity. Ny borigadin’ny zandary ao Djamanjar no misahana ny famotorana ity raharaha ity.

    Anisan’ny nahazo vahana tamin’iny taona 2015 iny haintrano. Matetika fipoahana herinaratra hatrany no mitarika ny fahamaizana. Nisongadina tamin’izany ilay firehetan’ny toeram-pivarotan-kazo iray eny Ambodivona izay mitentina antapitrisany maro koa ny fahamaizana tamin’izany. Aoka ho mailo hatrany fa tandrevaka kely fotsiny koa dia mety amoizana ny fananana nohariana an-taonany maro.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.