Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kung-Fu Wisa : hatao ny volana aogositra ny fifaninanam-pirenena

    Nambaran-dRakotoarisoa Victor, filohan’ny federasiona malagasin’ny kung-fu Wisa, fa hotanterahina ny volana aogositra, ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Ankoatra izay, nisy ny dinika nifanaovana, tamin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny an’ny mpitandro filaminana fa tsy maintsy manana “passeport sportif” avokoa ireo mpanao kung-fu Wisa, manerana ny Nosy. Anton’izany, mba hanavahana ny ara-dalàna sy ny tsy manaraka ny fepetran’ity haiady ity. Nomarihiny fa avy amin’ireny no hisian’ny fiofanana, ho jiolahy sy tontakely, ka tsy handefitra amin’izany intsony ny federasiona miaraka amin’ireo minisitera roa tonta ireo.

    Ankoatra izay, nohamafisin’ny grand maître Ny Avoko, fa mizotra tsara ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny federasiona iraisam-pirenena (IKF) izay any Ukraine, Eoropa, ny foibeny.

    Hamafisina hatrany ny firaisankinan’ny kung-fu Wisa ary tsy maintsy jerena ihany koa ny azo hifanampiana amin’ny vahoaka, toy izay efa natao hatramin’izay. Hisy, araka izany, fizarana vary 10 t ho an’ny Malagasy sahirana, izay tsipaipaika avy amin’ireo mpanao kung-fu Wisa miisa 10.000. Ny 2 t, homena ny eto Antananarivo ary ny 8 t kosa ho an’ny distrika 20 manerana ny Nosy.

    Tsiahivina fa nifampiarahaba nahatratra ny taona ireo mpanao kung-fu 2.200, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’ny Esca Antanimena. Nanatrika izany avokoa ireo “style kung-fu” rehetra, niaraka tamin’ireo mpitarika azy isanisany.

     M.N

    Les commentaires sont fermées.