Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zandarimaria : nankalaza ny Andron’ny manambonahitra

    Zandarimaria : nankalaza ny Andron’ny manambonahitra

     Nankalaza ny andron’ny 12 janoary, Andron’ny manamboninahitra ao anatin’ny Foloalindahy Malagasy ireo manamboninahitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy. Ho an’ireo manamboninahitra zandary miasa ao amin’ny Seg, FIGN, CIRGN Antananarivo dia tao amin’ny foibem-pibaikoana ny zandarimariam-pirenena Toby Ratsimandrava no nifamotoana. Nisy araka izany ny famohamandry narahina kotaba « reveil en fanfare » nataon’ireo manamboninahitra zandriny miofana ao amin’ny andiany faha-36. Tamin’ny 6 ora maraina no nampakatra ny sainam-pirenena ny Jly Paza Didier sy ny Jly Rakoto François Rodin ka ny manamboninahitra zandriny indrindra no mibaiko amin’ny fotoana toy izao. Taorian’izay, niroso tamin’ny fanolorana « oies traditionnelles » ho an’ny Jly Paza sy ny Jly Rodin. Nisy ny hazakazaka niarahan’ireo manamboninahitra ary nitohy tamin’ny lalao.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.