Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fivelaran’ny zavakanto : tsy fantatry ny vahiny ny hira malagasy

    Miaina amina endri-javatra roa mifanohitra ny zavakanto malagasy indrindra fa ny hira sy ny dihy. Raha tonga eto Madagasikara ny vahiny, liana amin’ny hira sy dihy malagasy. Raha mankany ivelany anefa ny mpanakanto malagasy, vitsy ihany ireo mahavaly ny filan’ny tsena iraisam-pirenena. Vokatr’izay, saika mionona amin’ny famaliana ny fanasan’ireo teratany malagasy monina any ivelany ny mpanakanto eto an-toerana. Endrika roa mifangarika, ahafahana milaza ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ny hira sy dihy malagasy ireo. Manaporofo ihany koa fa na haintsika sy mampitolagaga ny vahiny aza ny hira sy dihy malagasy, tsy mbola haintsika ny mampahafantatra izany any ivelany.

    Mila harenina io tsy fahampiana sy tsy fahaizana mampahafantatra io, raha te hahazo vahana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny hira sy ny dihy ary ny zavakanto malagasy rehetra. Tokony hiompana bebe kokoa amin’izay ny ezaky ny mpanakanto sy ny mpikirakira zavakanto malagasy manomboka izao. Tsy manana mpanakanto « iraisam-pirenena » loatra ny Malagasy raha oharina amin-dry zareo Afrikanina noho io tsy fahampian’ny fampahafantarana io.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.