Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lomano : nanatsara zava-bita efatra i Tendry

    Zava-bita efatra eo amin’ny taranja lomano, sokajy «poussine», no nohatsarain’i Tendrinavalona Idealy Diaritiana, mpilomano avy amin’ny klioba Sirènes 110 Antsirabe, nandritra ny «XXVIIème Meeting de natation de l’océan Indien», notontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra lasa teo, tao amin’ny tanànan’i Saint Paul : ny teo amin’ny “50 mètres nage libre”, «400 mètres nage libre», ny «200m x 4 nages” ary ny «100 m x 4 nages».

    Tsorina fa tsy nitsanga-menatra ity ny solontenan’ny ligim-paritr’i Vakinankaratra eo amin’ny taranja lomano, teo amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena, ity.

    Nambaran’Andriampianina Tiana, filohan’ny ligim-paritry ny taranja lomano ao Vakinankaratra, sady ray niteraka an’i Tendry, fa sady misondrotra ao amin’ny sokajy “benjamine” i Tendry, amin’ny taom-pilalaovana 2016, no lazan’ny faritra niaviany sy ny federasiona malagasin’ny taranja lomano ihany koa, tamin’izao vokatra iraisam-pirenena azony izao. Ankoatra azy, niatrika ity fihaonana ity ihany koa Andrianarison Juhanna Hanitriniala, avy ao amin’ny klioban’i Cosra. Marihina fa samy

    12 taona izy ireo, ankehitriny, nefa efa manana ny hoaviny amin’ity taranja ity, raha ho an’ny ligin’i Vakinankaratra manokana no lazaina.

    Jeannot Ratsimbazafy  

    Les commentaires sont fermées.