Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Malaimbady : kamiaobe miisa telo indray notafihin’ny dahalo

    Malaimbady : kamiaobe miisa telo indray notafihin’ny dahalo

     Dahalo miisa fito nitondra basim-borona no tompon’antoka tamin’ny fanafihana kamiaobe miisa telo, afakomaly alina tany amin’ny 16 km avaratr’i Malaimbady. Araka ny loharanom-baovao voaray, nobahanan’ireo jiolahy tamin’ny vatobe ny arabe ka tsy afa-nihetsika ireo kamiaobe ka nanao izay ho afany tamin’ny fandrobana ireo jiolahy. Vola mitentina 150 000 Ar, finday ary zava-pisotro misy gazy no lasan-dry zalahy. Tao amin’ilay kamiaobe faharoa kosa vola mitentina 200 000  Ar no lasa. Tsy nahazo na inona na inona ry zalahy tao amin’ilay kamiaobe fahatelo. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo rehefa nandroba ireo kamiaobe ireo.

    Ny zandary ao Miandrivazo sy Malaimbady no manao ny fanarahan-dia ireo dahalo. Tsy vao izao fa matetika ahenoana trangana fanafihan-dahalo amin’iny faritra Miandrivazo iny. Ankoatra ny halatra omby, mahazo vahana koa ny fanafihana taksiborosy sy kamiaobe toy ireto notafihin’ny dahalo ireto. Misy, araka izany ny ezaka ataon’ny zandarimaria any an-toerana, saingy mitovy ny fitaovam-piadiana eo am-pelatanan’izy ireo sy dahalo.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.