Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mpampianatra mpiasam-panjakana : hitohy ny febroary ny fizarana fifanarahana asa

    Mpampianatra mpiasam-panjakana : hitohy ny febroary ny fizarana fifanarahana asa

    Nosantarina tany  Toamasina ny fizarana ny antontan-taratasy fifanarahana asa ho an’ny mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana amin’ireo 10 000 andiany faharoa.  Mpampianatra ao Toamasina I sy II mahatratra 174 no nahazo izany any an-toerana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hitohy amin’ny volana febroary ny fitsinjarana ny fifanarahana asa manerana ny Nosy. Efa vita avokoa ny antontan-taratasy rehetra ho an’ny mpampianatra 10 000 fa miandry sonia sisa. Miankina amin’ny famoaham-bola avy amin’ny fanjakana ny fandoavana ny karama voalohany ho azy ireo. Mikarakara sahady ny fandraisana ny mpampianatra Fram 10 000 andiany fahatelo ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanambara ny tomponandraikitra fa hisy fiovana ny paikady hitondrana ny asa ho an’io andiany io.

    Momba ny fandoavana ny fanampin-karama avy any amin’ny fanjakana, miandry ny roa volana novambra sy desambra ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Noraisina tamin’ny herinandro lasa ny roa volana, septambra sy oktobra. « Nisy ny fanafainganana ny fizarana ny vola ka hita fa nisy vokatra mivantana teny amin’ny mpampianatra isaky ny Cisco izany, indrindra ho an’ny Dren Analamanga », hoy ny tomponandraikitry ny sendikà Fimpafram, omaly. Manaitra ny sain’ny mpitantana ny minisitera koa ny tenany mikasika ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana. Tokony hojerena manokana ny mpampianatra Fram efa feno 50 taona noho mihoatra satria mbola nampiandrasina ny antontan-taratasin’izy ireo nandritra ny fandraisana ny taona 2015 lasa teo. Nahavita be tamin’ny fampianarana izy ireny ka lasa miraviravy tanana raha tsy horaisina ho mpiasam-panjakana indray, araka ny fanazavany ihany.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.