Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analakely : mitohy ny fangala-pierin’ny mpivarotra amoron-dalana

    Mitohy isan’andro ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ny fidinan’ny polisy kaominaly  sy ireo mpiasan’ny tsena eny Analakely, Tsaralalàna sy Behoririka. Fangala-piery hatrany anefa no ifanaovan’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpiasan’ny kaominina ary ny polisy kaominaly. Efa mifanome toromarika ireo mpivarotra amoron-dalana rehefa handalo ny avy amin’ny kaominina.

    Sarotra aminay ny miala ety raha tsy misy ny fanomezana toerana anay. Miandry ilay toeram-pivarotana misy rihana nampanantenaina izahay”, hoy ireo mpivarotra. Ny olon-tsotra mpandalo kosa, nilaza fa tokony samy hahatsapa tena ny rehetra amin’ny fandaminana, satria ilaina ny fahadiovana. Ireo mpivarotra anefa nanamafy fa eny an-toerana hatrany izy ireo mandra-pisian’ny vahaolana matotra. Milaza ireo mpivarotra fa misy ihany ny solontenan’izy ireo mihaona amin’ny tompon’andraikitra. Ireto farany, tsy ahitana teny.

    Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.