Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody : ny teny mandalo…

    … Fa ny soratra mitoetra. Io tokoa ilay filamatra efa diso fantatry ny Malagasy tao anatin’ny taona maro. Somary mandona ny kolontsaina malagasy izy io satria, fahiny, tsy mbola nisy ny soratra fa ny teny ihany no nampiasaina tamin-javatra maro. Anisan’ireny ny fampitan-kafatra, fifanekena, velirano, fitsofan-drano, fianianana, sns.

    Tsy nandalo fotsiny izany ny teny tamin’ny fotoan’androny fa noraisin’ny tsirairay izay hiantefany ka sady nohajainy fatratra no nolalainy mba hampirindra ny fiarahamonina. Tamin’ny ankapobeny, nahomby izany. Vitsy ny nivadi-belirano satria manan-jina ny teny.

    … Ny ankehitriny, mahay manoratra fa tsy manaja ny sonia nataony kanefa anie ka ny teny mitoetra e! Hafahafa ihany fa diniho tsara ange e!

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.