Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rasolo André : « Tokony hajoro ny HCJ »

    « Tonga ny fotoana ahafahana mametraka ny andrimpanjakana voalazan’ny lalàmpanorenana. Tokony hapetraka haingana ny Fitsarana avo hitsarana ny mpitondra (HCJ) mba hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika eto amintsika…. Tokony hanana ny fahaleovantenany tanteraka anefa izany rafi-pitsarana izany », hoy ny mpandalina ny raharaha politika, Rasolo André, omaly tamin’ny haino aman-jery. Nambarany fa efa voasoratra anaty lalàmpanorenana izany ary anisan’ny anjaran’ny filoham-pirenena ny mametraka azy. Nohitsiny fa tokony ho 12 volana aorian’ny nandraisan’ny filoha ny fitantanana ny firenena ny nananganana azy. Efa dila izany ary azo anenjehana ny mpitondra raha tsy voahaja. « Efa eo ihany ny HCJ, saingy mbola sadasada satria mbola miandry ny fijoroan’ny Antenimierandoholona, tokony mbola hanolotra ny anjara olony », hoy ihany izy.

    Tsiahivina fa 11 ireo mpikambana mandrafitra ny HCJ ka ahitana ny avy amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny mpitsara ihany koa.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.