Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fambolen-kazo : manana drafitrasa ara-tontolo iainana ny Cnaps

    Fambolen-kazo : manana drafitrasa ara-tontolo iainana ny Cnaps

    Toy ny isan-taona ! Notanterahina ny alakamisy 14 janoary teo tany Ambohidray Miarinarivo ny fambolen-kazon’ny fianakaviamben’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahina ara-tsosialy (Cnaps). Nitarika ny fotoana ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul, namboly zana-kazo kesika 4.000 fototra. Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa ara-tontolo iainana, mifandraika amin’ny fandaharanasa mifanaraka amin’ny tetibola (budget programme) ny taona 2013-2017 ity notanterahina ity, sady fanao isan-taona rahateo.

    Mifanaraka amin’ny Cop 21

    Mifanitsy tanteraka amin’ny paikady hiarovana ny tontolo iainana, hampihenana 2% ny hafanan’ny tany ny fambolen-kazo, araka ny fandaharanasa iraisam-pirenena Cop 21 tany Paris farany teo.

    Ankoatra ny fambolen-kazo, manampy ny sahirana ara-pivelomana koa ny Cnaps. Miisa 300 ny fianakaviana avy amin’ny fokontany dimy ao anatin’ny kaominina Miarinarivo, nizarana vary, menaka, savony ary kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.