Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Koloiko sy hajaiko ny teniko » : hitohy ny fifaninanana momba ny teny malagasy

    « Koloiko sy hajaiko ny teniko » : hitohy ny fifaninanana momba ny teny malagasy

    Raha ny nambaran’ny mpikarakara, azo antoka fa hitohy amin’ity taona 2016 ity ilay fifaninanana momba ny teny malagasy ampanaovin’ny vondrona « Koloiko sy hajaiko ny teniko ». Fahaizana mifehy ny teny malagasy amin’ny fitsipi-panoratana. Fahaizana maneho hevitra amin’ny teny malagasy madiorano amin’ny alalan’ny tononkalo sy sombin-tantara ary angano. Ankoatra io fitohizan’ny fifaninanana io, hanatanteraka hetsika maromaro hafa izay tsy hanalavitra ny fikajiana sy fampitiavana ary fampivelarana ny teny malagasy ihany koa ity vondrona anaty « facebook » « Koloiko sy hajaiko ny teniko » ity.

    Manomboka tsy masina an-taniny ny teny malagasy. Mila omena aina ny karazana hetsika na fifaninanana tahaka izao. Hatreto anefa, mbola vitsy ireo manana finiavana hanatanteraka izany. Matetika, mibahana ao an-tsain’ny Malagasy ilay fiheverana fa azy ny teny malagasy ka hainy tsara. Tsy izay anefa ny tena zava-misy fa sady tsy mahafehy ny teniny ny Malagasy no mikatsaka fatratra ny hanary azy amin’ny alalan’ny fitenenana ny teny vahiny.

    HaRy Razafindrakoto

    Une réponse à "« Koloiko sy hajaiko ny teniko » : hitohy ny fifaninanana momba ny teny malagasy"

    1. Mamy RABE  17/01/2016 à 09:25

      Miarahaba. Mba mila kely ny anaran’ny olona mikarakara an’io hetsika io aho sy ny numero de tel azafady. Mamy RABE (0330244444)

    Les commentaires sont fermées.