Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hanomboka ny asa : haverina ho zaridaina eo Anosy

    Hanomboka ny asa : haverina ho zaridaina eo Anosy

     Ho fanatsarana ny tanàna, hikarakara ny toerana malalaka etsy Anosy manakaiky ny farihy ny fiadidiana ny Repoblika miaraka amin’ny vadin’ny filoham-pirenena. Havaozina ho lasa zaridaina mahafinaritra io toerana rehetra io (izay ataon’ny olona fanariam-pako, amin’izao fotoana izao). Sady horavahana voninkazo sy hazo no asiana toerana fipetrapetrahana maro ho an’ny mpitsangantsangana na mpandalo fotsiny. Ho fanampiana ny sahirana, atao asa tana-maro ny fanatanterahana ny asa rehetra manomboka amin’ny fiasana ny tany sy ny fanadiovana. Mandritra ny fambolena ny voninkazo, hisy mpanao zaridaina matihanina hanoro sy hanara-maso ny asa mba hifanaraka amin’ny fenitra takin’ny zaridaina.

    « Miandry ny fahazoan-dalana avy amin’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sisa dia hanomboka ny asa izay heverina fa ho amin’ity herinandro ity », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

    Efa ahitana toeram-pivoahana ho an’ny daholobe ny eo Anosy ka andrasana ny fanavaozana ny zaridaina mba ho tena mendrika ny maha Renivohitra tokoa.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.