Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Chan 2016» : resin’i Roandà ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

    Kitra – «Chan 2016» : resin’i Roandà ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

    Tamin’ny isa tokana, 1 noho 0, no nandresen’i Roandà ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ho an’ny sokajy «A», teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2016”. Fihaonana izay notontosaina tao amin’ny kianja Roandà, ny asabotsy lasa teo.

    Tsy nampoizin-dry zareo Ivoarianina mihitsy ny lalao nasehon’ny Roandey, izay naneho fahavononana hatrany am-boalohany. Vokatr’izay, nanokatra ny isa ry zareo, teo amin’ny minitra faha-15, tamin’ny alalan’ny “coup franc” nodakan’i Emery Baiysenge, teny amin’ny 22 m.

    Tokony mbola ho nahatafiditra baolina fanindroany indray ry zareo, teo amin’ny minitra faha-60 rehefa voatosika tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana i Bayisenge, ka nahazoan’izy ireo “penalty”. Tsy tafiditr’i Bayisenge anefa ny dakany izay nanitsy an’i Sangaré, mpiandry tsatoby. Saika nanasahala ny isa kosa ny Elefanta, tany amin’ny 1 mn tsy hiravana, saingy nivilana ny dakan’i Guiza Djedje.  Na nandresy sy nahazo isa 3 aza i Roandà, tsy mbola afaka milaza fa efa tafita satria mbola misy lalao roa miandry azy ireo. Na izany na tsy izany, mitarika izy ireo, ao anatin’ny vondrona “A”.

    Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko kosa i Gabon sy Maraoka, ho an’ity vondrona ity ihany. Hitohy anio ny fifanintsanana ka ny sokajy “C” no hiditra an-tsehatra. Hifandona i Tonizia sy Ginea, arahin’ny lalaon’i Nizeria sy Niger.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.