Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby – Analamanga : tompondaka ny 3FB

    Rugby – Analamanga : tompondaka ny 3FB

    Nandrombaka ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby na ny “Top 14” ny ekipan’ny 3FB. Resiny, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa tery 24 noho 22 ny Cosfa. Fihaonana izay notontosaina, omaly,tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.

    Niady ny fihaonana ary nahafinaritra ary nahitana endri-dalao mahafinaritra sy teknika ambony. Samy nahatonga baolina nentin-tanana avokoa ny roa tonta. Nifandimbiasana ihany koa ny nitondra ny isa, teny amin’ny solaitrabe. Ny Zef’be no nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’ny “drop goal”, vitan’I José. Taorian’io, tafaporitsaka tampoka i Rahery ka niafara, tamin’ny baolina nentin-tanana izany, ho an’ny Cosfa. Voatsaran’i Gougou izany. Niezaka indray ny ekipan’ny fahasalamana ka nahatsindry baolina ihany koa i Rija, saingy tsy voatsaran’i José izany. Samy nahafaty “coup de pied de penalité” daholo kosa ny roa tonta taorian’io. Nitarika tamin’ny isa 16 noho 15 ny Bebaoty teo am-pialan-tsasatra.

    Teo amin’ny fizarana faharoa, nitarika indray Zef’be, rehefa nahafaty “hors jeu” i José. 18 noho 16 ny isa. Nahafaty “drop goal” roa i José.

    Lasan’ny 3FB tanteraka ny amboara lehibe niadiana tamin’ity satria intelo izy ireo

    nahazo izany.

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.