Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : ifanotofan’ny sambo mpanao soa ny tanàna  

    Toamasina : ifanotofan’ny sambo mpanao soa ny tanàna  

    Saika nifanotofan’ ireo sambo lehibe eran-tany manao asa soa ny seranan-tsambon’ i Toamasina tato ho ato. Raha efa hananika ny faharoa taony ny nahatongavan’ ny sambo hopitaly Merci Ships, tonga ny 20 desambra teo kosa ny sambo “Logos Hope“, anisan’ny lehibe indrindra misahana fivarotam-boky mandehandeha mitety ny vazantany efatra eran’ izao tontolo izao. Sambo anatin’ ireo mpikambana ao amin’ny “GBA Ships“. Mahatratra hatramin’ny 25.000 ny karazam-boky hita ao aminy ary saika amin’ny teny anglisy no betsaka indrindra. Misy ihany ny teny frantsay sy firenena hafa. Mpiasa an-tsitrapo 400 no mampihodina ny raharaha rehetra, ary samy mampiseho ny karazana kolontsaina avy amin’ny firenen-kafa ireo tantsambo ao aminy. Ankoatra ny fivarotam-boky, maneho fanaovana asa soa sy asa sosialy eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny firenena lalovany ny mpiasa. Rahampitso no handao an’ i Toamasina ity sambo ity.

    Ny taona 1937 no teraka tao Rendsburg Geramany ny sambo ary manana halavana 132,5 m.   Nanomboka ny taona 2009 kosa no nividian’ny vondrom-pikambanana GBA azy ary nomena ny anarana Logos Hope. Doulos ny sambo nampiasain’ izy ireo talohan’ ity ary efa tonga teto Toamasina ihany koa. Nitsidika tao anatin’ ny sambo ny mpanao gazety ao Toamasina notarihin’ny talem-paritry ny serasera, Iavizara Priscilla. Ivy Chiu kosa no mpitondratenin’ny sambo nisahana ny serasera anaty sambo.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.