Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    BNI-Madagascar sy EDBM : miara-manohana izay manana tetikasa

    BNI-Madagascar sy EDBM : miara-manohana izay manana tetikasa

    Miara-miasa, manomboka izao, ny banky BNI Madagascar sy ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Samy manana ny asany ireo fa mifameno ho tombontsoan’ny mpampiasa vola hiditra amin’ny fandraharahana sy hitrandraka ny tsena samihafa eto amin’ny firenena. Izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao, lalana iray ahazoana manangana orinasa, mifanaraka tsara amin’ny politika « guichet unique » nofaritan’ny EDBM. Politika manamora sy manampy ireo izay manana tetikasa, tohanan’ny EDBM amin’izay tokony hatao rehetra ho amin’ny fananganana orinasa na tetikasa.

    Dingana iray lehibe hampiroboroboana ny fampiasam-bola ataon’ny mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany izao fiaraha-miasa izao. Misokatra, noho izany, ny biraon’ny BNI Madagascar ao amin’ny foiben’ny EDBM eny Antaninarenina. Misy mpanolotsaina avy ao amin’ny banky afaka manampy sy manoro lalana, ireo izay mila torohevitra amin’izay tetikasa nomanina, ny famatsiam-bola mifanaraka amin’ilay tetikasa.

    Niara-nanao sonia ny fifanarahana, ny 14 janoary teo, ny tale jeneralin’ny BNI, François Hoffmann, sy Andriamihaja Eric Robson, tale jeneralin’ny EDBM. Samy nanatrika ny filohan’ny filankevi-pitantanana roa tonta, Rabarijohn Henri (BNI) sy Randriamanana Harrison (EDBM).

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.