Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fivorian’ny frankofonia : hovitaina ao anatin’ny 10 volana ireo fotodrafitrasa lehibe

    Fivorian’ny frankofonia : hovitaina ao anatin’ny 10 volana ireo fotodrafitrasa lehibe

    Nanome toky ny filohan’ny Conseil national d’orientation, Ratsiferana Hugues, miaraka amin’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika sy fotodrafitrasa, Rakotovao Rivo, fa ho vita ara-potoana ny asa rehetra ho fandraisana ny fivoriana an-tampony faha-16 ireo firenena mampiasa teny frantsay iraisam-pirenena lehibe izany.

    Manana 10 volana ny mpikarakara fandraisana ny fivoriana an-tampony ny frankofonia, hanaovana ireo fotodrafitrsa lehibe rehetra, mialoha ny fivoriana amin’ny volana novambra. Asa iray lehibe amin’izany ny fananganana trano eo anilan’ny CCI Ivato handraisana ireo filoham-panjakana ; eo ihany koa ny hanamboarana toerana hahazoana mandray helikoptera roa, fotodrafitrasa lehibe iray ny fanamboaran-dalana.

    Ankoatra ireo, efa tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, fanamboarana fiantsonan’ny fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly eny Ambodivona sy Fasan’ny Karana, miaraka amin’izany koa ny fanamboaran-dalana eto an-dRenivohitra. « Tsy maintsy tsinjovina ny hoavy aorian’ny fahavitan’ny fivoriana, antony namaritana tetikasa maro, toy ny village de francophonie », hoy ny minisitra Rakotovao Rivo.

    20 miliara Ar ny tetibola atokan’ny fitondram-panjakana handraisana ity fivorian’ny tany mampiasa teny frantsay ity, tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016 ary manampy izany koa ireo firenen-kafa. Nanamafy izany, ohatra, ry zareo Kanadianina, nandritra ny fihaonan’ny ambasadaoro Philippe Baulne, sy ireo delegasiona niaraka taminy tamin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny faran’ny herinandro lasa teo.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.