Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra “tournoi” Tim Imerintsiatosika : lasan’ny klioba Razafindrajesy ny omby

    Kitra “tournoi” Tim Imerintsiatosika : lasan’ny klioba Razafindrajesy ny omby

    Nibata ny fandresena tamin’ny alalan’ny “tir au but”, 5 noho 2, ny klioba Razafindrajesy

    nanoloana ny 3FB tamin’ny famaranana “Tournoi kitra”, nokarakarain’ny antoko Tim ny alahady teo tao Imerintsiatosika.

    Nirava sahala, tsy nisy  nitoko ny roa tonta tamin’ny fe-potoana ara-dalàna ary izao niafara amin’ny fibatan’ny klioba Razafindrajesy ny omby, natolotry ny depiote Rakotomanjato Rodin izao izany.

          Maro ireo ekipa nandray anjara eo anivon’ny seksiona any an-toerana amin’ity fifaninanana ity ary nahavory mpitia kitra maro hatrany izany isaky ny alahady.

         Marihina fa efa fanaon’ity antoko naorin-dRavalomanana ity, miaraka amin’ny depiote any Arivonimamo, ny fikarakarana fifaninanana tahaka izao ary nampanantenany fa hojerena ny manokana ny momba ireo tanora. “Taratry ny firaisam-pirenena izany… Efa an-dalana rahateo ny fanamboarana ny kianja eto Imerintsiatosika”, hoy izy tamin’ny lahateny teo am-panolorana ny amboara omby.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.