Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lalao iraisam-pirenena : hatao eto amintsika ny lalan’ny CJSOI, andiany fahafolo

    Lalao iraisam-pirenena : hatao eto amintsika ny lalan’ny CJSOI, andiany fahafolo

    Handray lalao iraisam-pirenena ny Malagasy, amin’ity taona 2016 ity. Anisan’izany ny lalaon’ny tanora ao anatin’ny CJSOI. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina no hiadiana medaly volamena, amin’izany.

    Hotontosaina eto Madagasikara? ny 1 ka hatramin’ny 7 aogositra ho avy izao? ny andiany fahafolo, amin’ny lalaon’ny kaomisiona ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2016). Io no fanapahan-kevitry ny fivoriana nataon’ireo manampahaizan’ny mpikambana ao anatin’ny CJSOI.

    Mbola hanolotra ny antontan-kevitra, ary handresy lahatra farany, amin’ny fanomanana sy ny pitsopitsony amin’ireo fotodrafitrasa, ilaina amin’izany any amin’ireo tomponandraikitry ny CJSOI, ny Malagasy. Marihina fa taranja dimy ny hifaninanana eo amin’ny fanatanjahantena : ny atletisma, ny baolina kitra lalaovina olona fito, ho an’ny vehivavy, ny handball sokajy lehilahy, ny judo ary ny tenisy ambony latabatra.

    Marihina fa manana tombony i Madagasikara eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa satria voalazan’ireo manampahaizana fa mivondrona ao anatin’ny toerana iray avokoa ireo kianja hifaninanana ka tsy manahirana ireo mpifaninana.

    Toraka izany koa ny eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina, izay hisian’ny tantara an-dampihazo, ny dihy sy ny mozika nentim-paharazana ary ny fivoriamben’ny tanora. Tsiahivina fa lohahevitra iraisan’ny tanora amin’ity andiany fahafolo amin’ny CJSOI ity ny hoe «Tanora, tomponandraikitra ao anatin’ny firahalahiana».

    Marihina fa vitsivitsy, araka ny voalaza, ny fandaharam-potoan’ny fanatanjahantena ho an’ny CJSOI, amin’ity taona ity : ny fanofanana ireo mpampiofana, amin’ny fitiliana sy fampivoarana ireo tanora manana talenta.

     Miary Narindra

    Les commentaires sont fermées.