Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    RN 5 : tonga any an-toerana ny fitaovana

    RN 5 : tonga any an-toerana ny fitaovana

    Nangataka teo imason’ny filoham-pirenena ny ben’ny Tanànan’ i Mahavelona Foulpointe, ny alatsinainy 11 janaory teo, hanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), mirefy 55 km mampitohy amin’i Toamasina. Ny andron’io ihany, nalefan’ny minisiteran’ny Asa vaventy  tany an-toerana ny fitaovana vaventy an’ny orinasa tsy miankina, hanarina ity lalana ity. Voalaza fa hitohy any amin’ny tapany avaratra amin’iny RN 5 iny izany, mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra.

    Toerana be mampiasa iny lalana iny, sady mandroso amin’ny lafiny fizahantany ihany koa.

    Efa nanome toky ny hanamboarana ity lalana ity ny minisitry ny Asa vaventy ny taona 2014, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny banky avy any Koweit.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.