Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona Hafari Malagasy momba ireo olona rava trano teny Ankadimbahoaka. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’ireo mponina rava trano, manginy fotsiny ireo namoy ny ainy. Tsy misy afa-tsy ny fiaraha-midinika an-databatra boribory ihany no lalana afaha-mamaha ny olana. Mitaky ny hisian’ny fampihavanana koa izahay manoloana izao raharaha izao, raha ny fanazavany hatrany. Efa misy, araka izany, ny hevitra notinapaka taorian’ny fanadihadiana ary handefa izany amin’ireo tompon’andraiki-panjakana hatrany amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ny fikambanana. Aorian’izay kosa, hisy ny fihaonana mivantana amin’ny Hafari Malagasy sy ireo teratany vahiny tafiditra amin’ity raharaha ity.

    Nanamafy kosa ireo mponina fa tokony hojerena akaiky ny momba azy ireo satria miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao.

    Fatim-behivavy iray no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina tao Antsiranandavitra Ilaka Atsinanana Vatomandry, afakomaly. Efa simba tanteraka ny razana raha ny fahitana azy. Tsy fantatra kosa izay antony nahafaty azy fa nahitana ratra eo amin’ny lohany ary efa niendaka ny volony.  Nalevin’ny fokonolona avy hatrany ny fatiny taorian’ny fizahan’ny mpitsabo.

    Les commentaires sont fermées.