Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fihaonan’ny CSM amin’ny filoham-pirenena : nangataka ny hanamafisana ny fahaleovantenany ny mpitsara

    Fihaonan’ny CSM amin’ny filoham-pirenena : nangataka ny hanamafisana ny fahaleovantenany ny mpitsara

     Tsy tongatonga ho azy amin’izao fotoana mahabe resaka ny tontolon’ny fitsarana izao ? Noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha, omaly maraina ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nivoitra tamin’izany ny tolokevitr’ireto avy amin’ny mpitsara ireto ny amin’ny tokony hijerena na hanitsiana, raha ilaina izany sady ho fanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo sy ny tontolon’ny fitsarana amin’ny ankapobeny.

          Efa voaresaka matetika amin’ireo karazana atrikasa na koa fihaonana sy fivorian’ny mpitsara na ny sendikàn’izy ireo ny momba izany ary efa nandritra ny fotoana  maro.

    Voaresaky ny roa tonta koa ny tokony hanajana mandrakariva ny sata mifehy ny mpitsara sy ny tokony hiantohana ny asan’izy ireo.

         Tsy azo hadinoina rahateo fa ny filoham-pirenena no lehibe mitarika na filoha faratampon’ny ny CSM.

    Hitondra fivoarana sy fanatsarana ny asan’ny fitsarana

     

    Ankoatra izany, nifakalozan-kevitra ny zava-misy manodidina ny tontolon’ny fitsarana amin’izao fotoana izao.

         Araka izany, inoana fa hitondra fivoarana sy fanatsarana bebe kokoa ny asa eo anivon’ny fitsarana sy ny mpitsara izao fihaonana sy dinidinika izao.

    Ilaina rahateo izany, manoloana ireo resabe sy ireo tranga niseho tato ho ato eto amin’ny firenena.

        Nitarika ireo delegasion’ny CSM nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noeline.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.