Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby Analamanga : hadino ireo mpanazatra

    Nifarana, ny alahady 17 janoaray lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby. Nahafinaritra ny fanakatonana izany, satria feno hipoka ny kianja ary samy nahazo ny anjarany avy ireo mendrika, nandritra ny taom-pilalaovana 2015 iny.

    Samy notoloran’ny ligin’Analamanga amboara sy medaly ary ireo boky kely mirakitra ny fizotran’ny fifaninanana avokoa ireo nahavita be sy nisongadina nandritra ny fifaninanana. Nahazo izany ireo mpilalao mendrika, na vavy na lahy na ny sokajy zandriny “junior”. Teo koa ny an’ny filohan’ny fileovana nahay nitantana indrindra sy ny klioba “revelation”. Tena hadinon’ny ligy, tamin’ity, ny mpanazatra, izay angady nananana sy vy nahitana ireo vokatra rehetra ireo. Tsy tongatonga ho azy mantsy ny fandresena raha tsy teo ny herim-po sy ny fikarohana ary ny fikarakarana nataon’ireo mpanazatra. Tsy diso anjara ihany koa ireo mpitsara, saingy tsy mba notononina ho henon’ny rehetra ny fanomezana ireo medaly ho azy fa nomena mangingina, taorian’ny firavan’ny lanonana. Vokatr’izay, nisy mihitsy mpitsara sorena sy nalahelo ka niloa-bava nilaza fa manao tsinontsinona azy ireo ny ligin’Analamanga ka atao an-tsokosoko, toy ny mahazatra, ny fankasitrahana azy ireo fa tsy mba natao ho ren’ny olona toy ny an’ny mpilalao.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.