Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : tsy mahazo mipetrapetraka…    

    Mangingina ratsy ny politika. Andrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana loholona? Efa mazava na maizina ho an’ny sasany aza ny fanjakazakan’ny antokon’ny fitondrana. Andrasana koa izay ho vokatry ny fitoriana miisa folo.

    Eo koa izay ho vokatry ny fanadihadiana sy ny fitsarana ny raharaha fakana an-keriny sy fanaovana takalon’aina tany Toamasina. Izay no malaza? Na zava-dehibe… Mahavariana sy mahavalalanina ny marina… afenina?

    Ho hita eo… Toy ny hoe fanatsarana ny fiainam-bahoaka io. Mbola nofy izay fihatsaram-piainana mivantana. Ny olana misy aza, tsy hita be ihany: fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana… Mandra-pahoviana?

    Anjaran’ny mpitondra ny mamaha olana: na fandaminana sy fanadiovana tanàna io, na fanariana fako, na famatsian-drano madio, na fanahiana rano tondraka sy tany mihotsaka… Tsy mahazo mipetrapetraka amin’izao ireo mahazo toerana.

    1. Nd.

    Les commentaires sont fermées.