Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Bianco : mpiasa 44 notolorana mari-boninahitra

    Mpiasan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) miisa 44, omaly, no notolorana mari-boninahitra Ordre national de Madagascar, tetsy amin’ny Espace Soa Fonenako, Ivato. Raha mpiasa am-perinasa ny 38 amin’izy ireo, efa nisotro ronono kosa ny 6. Ny roa nosalorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’ordre national », 10 nakarina ho « Officier de l’ordre national », ary 32 kosa notolorana ny « Chevalier de l’ordre national ». Voalaza fa anisan’ny mpiasa mendrika, na teo am-panaovana ny asany na teo amin’ny fitondran-tenany ireo notolorana mari-boninahitra. Nanatrika sy nanome voninahitra io lanonana omaly io ny Grand Chancelier, Ralitera Etienne, ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline, ary ny talen’ny Bianco, ny jeneraly Andriamifidy Jean Louis. Fotoana nifampiarahaban’ny mpiasan’ny Bianco noho ny taom-baovao koa iny lanonana iny.

    M.R.

    Les commentaires sont fermées.