Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody

    Raha sarotra ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga ny hamerina indray ny sivana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto… Mety tsy ho sarotra amin’ny raiamandreny kosa ny hanolo-bato mafana ny zanany. Na domelin’ny adim-piainana aza, mbola azo inoana ny hananantsika ilay foto-panabeazana mifaka amin’ny fahendrena malagasy.   Sa… Zovy no afaka hilaza fa tsy manao ho zava-dehibe  ny fikolokoloana ireo menaky ny ainy?

    Fahombiazana kokoa aza, angamba, raha any anivon’ny tokantrano no miainga ny sivana voalohany. Tsy iandrasana izay tsy vonona na ianteherana amin’izay misalasala rahateo ny adidy amin’ny fanabeazana raha tiana ny hahazoana taranaka vanona. Sa ilay fahavononana mihitsy no tsy misy intsony?

    HaRy Razafindrakoto   

    Les commentaires sont fermées.