Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Laza avy any ampita  

    Lalovan-drahona hatrany ny tontolon’ny literatiora frantsay. Taorian’i Michel Tournier, mpanoratra fanta-daza, nodimandry ny alarobia teo koa, i Edmonde Charles-Roux, mpanao gazety, mpanoratra ary efa talen’ny Akademia Goncourt, ny taona 2002-2014. Feno 95 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Efa nandrombaka ny loka Goncourt ity mpanoratra ity, tamin’ny alalan’ilay boky tantara « Oublier Palerme », ny taona 1966.

    Mahatalanjona mihitsy ny fankafizan’ny olona ilay horonantsary amerikanina « Star Wars ». Nanerana izao tontolo izao ny lazan’ity « film » notontosain’i J.J Abrams ity, indrindra ny andiany fahafito, « Le Réveil de la force ». Efa andrasan’ny maro, amin’ny tapaky ny taona 2017 ny andiany fahavalo, araka ny fampanantenan’ny trano mpamokatra. Tsy ho tanteraka anefa izany fa hihemotra fito volana, izany hoe, amin’ny desambra 2017. Tafakatra 1,8 miliara dolara ny vola azon’ny mpanatontosa ny « Star Wars » tamin’ireo andiany efa nivoaka.

    Nangonin’i Landy R.

    Les commentaires sont fermées.