Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fijoroan’ny andrimpanjakana : hivory voalohany, amin’ny herin’ny talata, ireo loholona

    Fijoroan’ny andrimpanjakana : hivory voalohany, amin’ny herin’ny talata, ireo loholona

     Handray ny asany avy hatrany tsy ho ela. Hivory voalohany ireo mpikamban’ny Antenimierandoholona, ny talata faharoa aorian’ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy.

    Raha tsy misy ny fiovana,  tokony hivory ny talata 2 febroary izao, araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny fepetra mifandraika amin’ny fomba fihodinan’ity andrimpanjakana iray ity ireo loholona. Ho feno tanteraka 63 izany ny isan’izy ireo : 42 nofidin’ny mpifidy vaventy ary ireo 21 hotendren’ny filoham-pirenena, mialoha io daty io.

          Tombanana fa miainga amin’ireo loholona 21 hotendren’ny filoha ireo ny mety ho filohan’ity andrimpanjakana iray ity. Hifidianana ireo birao maharitra rahateo io fivorian’izy ireo voalohany io.

           Mety hahazo ny toeran’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona ho an’ny faritany kosa Randriambololona Mananjara, ho an’Antananarivo. Ho an’ny any Toliara, ny Praiminisitra teo aloha, Kolo Roger raha ho filoha lefitra avy amin’ny faritan’i Fianarantsoa, Andriamandavy Rina.

    Misolo tena ny vondrom-bahoaka ny loholona

    Toy ny eny anivon’ny Antenimierampirenena ihany, mivory indroa isan-taona ny etsy Anosikely. Manomboka ny fiandohan’ny volana mey ny fivoriana ara-potoana voalohany ary ny volana oktobra kosa ny faharoa.

          Na izany aza, afaka mampiantso fivoriana tsy ara-potoana koa anefa ny governemanta ary tsy tokony hihoatra ny 12 andro izany.

          Anisan’ny andraikitry ny Antenimierandoholona ny fanaovan-dalàna sy ny fisoloana tena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na koa ireo vondrona ara-toekarena sy sosialy. Araka izany, manolotsaina ny governemanta amin’ny raharaha toekarena sy sosialy ary koltoraly ny etsy Anosikely.

          Tsiahivina fa efa nohavaozina, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa ao amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona handraisana azy ireo.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.