Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Olan’ny Jirama any Atsimo : mizara rano fisotro madio ny orinasa SAMS

    Olan’ny Jirama any Atsimo : mizara rano fisotro madio ny orinasa SAMS

    Manoloana ny fahasimban’ny milina mpanosika ranon’ny Jirama, efa ho roa volana izay, manome rano fisotro madio ho an’ny vahoaka ao amin’ny fokontany Amborogony sy Betania ny orinasa SAMS. Fanampiana, mampiseho fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Ireo fokontany roa ireo no tena mitondra faisana, tsy mahazo rano raha tsy amin’ny 9 ora alina. Araka ny fanadihadiana natao, tafakatra 500 Ar ny rano iray bidao 20 litatra amin’ireo fokontany ireo hatramin’ny nahasimban’io milina io.

    Efa eo am-panamboarana izany ny Jirama hamerenana amin’ny laoniny ny famatsian-drano. “Izao asa izao no natao, mba hanampiana ny vahoaka ho fanehoana  fiaraha-miasa eo amin’ny fitondrana hanamafisana ny 3P”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny  SAMS,  Vahinisoa  Alain. Rano telo arivo litatra isaky ny fokontany no zaraina ka mahazo ny anjarany koa ny ao amin’ny bazary Sikama. Nosafidina manokana ireo mpivarotra mba hahafahan’izy ireo manadio sakafo amidy ao an-toerana sy hanomezana fahahafam-po ny mpanjifa. “ Irariana ny hitohizan’izao hetsika izao”, hoy ireo nahazo tombontsoa. Ankoatra izao famatsian-drano izao, efa nitondra ny fanavaozana sy ny fampitaovana ny biraon’ny polisy koa ny orinasa.

    CMS

    Les commentaires sont fermées.