Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antsiranana : karana iray nisy nanafika

     Jiolahy miisa valo nitondra basy P.A iray, antsibe iray ary kibay no niditra an-keriny tao amin’ny trano teratany karana iray tao Andasoa Avenir Antsiranana, ny asabotsy vao maraina teo. Voalaza fa niditra an-keriny tao amin’ity teratany vahiny ity ireo jiolahy. Ny efatra niditra tao an-trano fa ny efatra kosa nijanona teny ivelan’ny trano. Norahonan’ireo jiolahy mba hanome ny fanalahidin’ny vatamafihidy (coffre) nefa tsy nahazo izy ireo. Nanao izay ho afany ihany ireo jiolahy nampitahotra, saingy tsy nanome izany mihitsy ilay niharam-boina. Nikaroka eran’ny trano ka lasan’izy ireo tamin’izany ny volamena izay tsy voafaritra ny lanjany niampy seky ary ordinatera izay tsy mbola voafaritra ny isany, araka ny tatitra voaray hatrany. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra nandritra ity fanafihana ity. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy tany an-toerana rehefa naharay ny fitoriana napetrak’ireo niharan’ny fanafihana. Niantefa tany amin’ilay mpiambina ny ahiahin’ny mpanao famotorana ka nosamborina avy hatrany ilay noahiahiana. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy.

    Fa jiolahy miisa fito nitondra basim-borona no nanafika tao amin’ny tokantrano iray ao Amboarabe Ambatondrazaka, ny zoma teo. Lasa tamin’izany ny fitaovana rehetra tao an-tokantrano ary vary 30 kg. Midika izany fa tsy mifidy olona na zavatra angalarina intsony ny jiolahy fa mitondra faisana izay tratra.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.