Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Brickaville : zana-tsokatra anarivony nisy nanary

     Zana-tsokatra miisa 1 000 no nisy nanary teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambinanindrano, kaominina ambanivohitr’Ambinaninony Brickaville, ny 20 janoary 2016 lasa teo. Araka ny fanazavana voaray, 2 km miala an’i Sahavalaina no nanariana ireo sokatra ireo. Maty avokoa ny ankamaroan’ireo sokatra ireo fa 22 ihany sisa velona. Voalaza fa fiara iray tsy fantatra avy aty Antananarivo nihazo an’i Toamasina no nanary ireo sokatra ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra ao Hoavimamiratra ary nanao tatitra amin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ny biby tsy azo aondrana.

    Tsy fantatra, araka izany, izay tena tompon’antoka tamin’ity raharaha fanariana sokatra ity. Sokatra avy aiza? Efa maty vao nariana teo amin’io toerana io? Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

    Lasitra iray mitovy amin’ny fanaovana trafikana andramena koa ny trafikana sokatra efa hatramin’izay. Efa maro ireo tratra fa vao mainka aza mihamitombo izany.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.