Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifandraisana iraisam-pirenena : nihazo ny any Addis-Abeba ny minisitra Atallah Béatrice

    Raha tsy misy ny fiovana, nanainga androany teo hihazo ny any Addis-Abeba ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice. Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), hanomboka anio any an-toerana ny tenany.

        Ankoatra ireo raharaha mafampana aty Afrika sy ny lafiny toekarena, tombanana ho anisan’ny hiaka-tsehatra eo anivon’ny fivoriana ny momba an’i Madagasikara. Nandalo teto amintsika rahateo ny delegasion’ny UA,  L. Brahimi ary nihaona amin’ireo ankolafin-kery samihafa, sy ny avy amin’ny Firenena Mikambana (ONU). Samy mbola nanamafy ny hipetrahan’ny fitoniana sy ny tokony haha marin-toerana ny fitondrana izy ireo.

        Tsiahivina fa hanomboka ny faran’ny herinandro kosa, ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy ny lehiben’ny governemanta ary anisan’ny hiatrika izany ny filoha Rajaonarimampianina.

    Synèse R.

     

     

    Les commentaires sont fermées.