Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : tsy azo ilay vola

    Mitaraina ireo atleta mipetraka ivelan’i Madagasikara, niaro ny voninahi-pirenena, tamin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2015), fa tsy mbola naha voaray ny volany hatramin’izao. Vola, nampanantenain’ny filoham-pirenena, tamin’ny nahazoany medaly, tamin’izany fihaonana izany. Enim-bolana aty aorian’ny fahavitan’ny lalao, tsy mbola misy na ariary aza, azon’ireo atleta. Efa nanao fitarainana, tamin’ny alalan’ireo ray aman-dreniny, mipetraka eto Madagasikara izy ireo, saingy tsy misy valiny mahafa-po fa dia ny andraso andraso lava, ny hany voaray, avy amin’ireo tomponandraikitra.

    Ny mahazendana, araka ny fanamarihan’ireo atleta, takina laharan’ny kaonty any amin’ny banky izy ireo, saingy tsy misy vola tonga hatramin’izao any amin’izany kaonty izany. Tsy fantatr’izy ireo intsony izay tena manao ankaso, amin’ity raharaha ity. Efa nambaran’ny filoham-pirenena, ho ren-tany, ren-danitra fa homena valisoa ireo rehetra nahazo medaly,  tamin’iny lalao iny, ary notonina mihitsy ny tarehimarika, tamin’izany. Manao antso avo amin’ny filoha sy ny tomponandraikitra indray ireo atleta, ny amin’ny volan’izy ireo.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.