Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hotsarovan’ny Tim « Alatsinainy mainty »

    Hotsarovan’ny Tim « Alatsinainy mainty »

     Tsy handalo fotsiny amin’ny maha eto an-toerana ny filoha teo aloha, Ravalomanana.  Hanokananan’ny antoko Tim fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fahafito taon’ny “alatsinainy mainty”, rahampitso talata 26 janoary. Tanjon’izao hetsika izao ny fahatsiarovana iny raharaha iray tamin’ny taona 2009, nahapotika sy naharava ny toekarena malagasy iny ary nitondra any amin’ny krizy lalina amin’ny sehatra rehetra iainan’ny firenena mandraka ankehitriny.

          Ankoatra ny fitondrana am-bavaka ny firenena, hotsaroana manokana ireo niharam-boina, rava sy very fananana tamin’ireny fotoana ireny.

    Hatreto, tsy mbola mazava toy ny raharaha lehibe eto amin’ny firenena ny tao ambadik’ireny fandrobana sy nanaovana sorona ireo Malagasy, may sy maty tany anaty tranombarotra samihafa tany ireny. Efa nanambara ny fiketrehana ireny ihany ny Kly Andrianasoavina Charles, saingy tsy nisy tohiny.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.